Masiaka ny voay any Belo Tsiribihina any. Olona telo no maty ny faran’ny herinandro teo. Samy mponina avy amin’ireo kaominina manamorona ny reniranon’i Tsiribihina avokoa izy ireo
Vehivavy iray, avy any amin’ny kaominina Masoarivo ndeha hivarotra maraina ny zoma no narapaky ny voay raha niampita ny renirano. Ny ampitson’ny loza vao hita ny razana. Olona roa indray no nopaohin’ny voay ny alahady ary samy mponina avy ao amin’ny kaominina Berevo izy ireo. Vehivavy ny iray, izay efa hita ny vatana mangatsiakany, lehilahy kosa ny faharoa. Mifarimboka mikaroka ny razana ny fokonolona hatry ny omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.