Actualités

Belanitra Ilafy Misy tetika maizina handroahana ireo tantsaha


  • Zoma 14 Novambra 2014

Velon-taraina ny tantsaha eny amin’ny manodidina an’i Belanitra Ilafy iny noho ny fahamainan’ny tany, ka nahatara ny fambolem-bary tamin’ity taom-pambolena 2014-2015 ity.

Nisy anefa ny fandoavam-bola 500 Ariary isan’olona, ho tambin’ny fampidiran-drano ny tanimbary eny an-toerana saingy tsy nisy mangirana. Tetika efa tsara omana fa tsy tongatonga ho azy izao toe-javatra izao, hoy ny loharanom-baovao iray. Atao izay hahamaina ny ankamaroan’ny velarantany midadasika amin’iny lemak’i Belanitra iny, mba ho kivy ny tantsaha ka ho lao monina ary hivarotra ny taniny. Araka io loharanom-baovao io hatrany dia misy vahiny mitetika iny toerana iny mba hanaovana tetikasa fanorenan-trano. Tsy eny ihany fa voakasik’izany ihany koa ny eny Ambohimanarina sy eny Laniera mahazo ny kaominina Antehiroka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT