Actualités

Bekotro maroholatra Handray 300 000 Ar isan-telo volana


  • Alakamisy 30 Martsa 2017

Mampahonena sy mahamenatra ihany ny nandre fa 100 000 ariary isaky ny 3 volana no noraisin’ireo bekotro maroholatra, akanga sisa nanamborana tamin’ny taona 1947 tany amin’ny faritra Moramanga.

Aiza ilay valim-babena ? Isan-taona dia fitarainana sy fangatahana amin’ny mba hijerena azy ireo foana no ambetintenin’izy ireny. Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny filohan’izy ireo tamin’ny fanamarihana ny 29 martsa omaly, dia nangataka tamin’ny filoham-pirenena ny hanondrotana ny valimbabeny ry zareo. Eo ihany koa ny famerenana ireo fanampiana sy tombontsoa hafa izay notapahina. Marihina fa 179 ireo bekotro maroholotra any Moramanga sisa tavela amin'izao fotoana. Nandritra ny kabary nataony dia nilaza ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa hakarina ho 300 000 ariary isam-bolana izy io. Raha dinihina amin’ny taona sy ny hery ananany dia efa marefo tanteraka ny ankamaroany, ka ny mitango valim-babena sisa no tokony hataony. Tsy izay anefa no miseho fa isaky ny fanamarihana ny 29 martsa vao tsaroana ry zareo. Ankoatra izay, miady irery izy ireo.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT