Vaky ambatolampy teo anatrehan’ny mpamatsy vola ny faran’ny herinandro teo ny lesoka amin’ny fomba fiasan’ny ONG Fanamby any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemanonga, Faritra Menabe, misy ny « Allée de Baobab ».
Nopotsipotsirin’ny fokonolona ao Bekonazy, fokontany iray ao Bemanonga ampahibemaso fa tsy nanaja ny bokinandraikitra nifanarahana hatramin’ny taona 2009 ny Fanamby. Voakasik’izany ny fanorenana fotodrafitrasa ara-tsosialy toy ny sekoly sy toeram-pitsaboana ankoatra ny rano nefa tsy tanteraka. Misy koa fotodrafitrasa ara-toekarena toy ny fanorenana tohodrano hanondrahana tany hambolena, saingy nandiso fanantenana ny fokonolona ny zava-bita ao Bekonazy. Tonga tany an-toerana ny delegasiona notarihin’ny mpandrindra ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Rtoa Violette Kakyomya, ny faran’ny herinandro mba hanolotra ny fotodrafitrasa amin’ny mponina, fotoana nanararaotan’ireto farany nanao vaky bantsilana ny zava-misy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.