Vavahadin’i Menabe eo amin’ny resaka fizahantany ny “Allée des baobabs”. Ny taona 2007 no nitsiry ny hevitra hanaovana faritra arovana ny “Allée des baobabs”, niainga avy tamin’ny fanirian’ny Faritra Menabe mba hitandrovana ireo reniala maro ao.
Nirahina hanatanteraka izany ny fikambanana Fanamby izay niorina tamin’ny taona 1997. Mizara telo lehibe ny asa ankinina sy ataon’ny Fanamby nanomboka ny taona 2007 ka hatramin’izao dia ny fiarovana sy fanasoavana ireo tahiry reniala, ny fampandrosoana maharitra ary ny fampandraisan’andraikitra ireo vondron’olona ifotony. Vita ankehitriny ny lakandrano mirefy 8km mahery miainga avy any Tandila ka manondraka tanimbary 187 ha izay nampanantenain’ny Ong Fanamby homena ireo olona nesorina avy teo amin’ny tanimbary manodidina ny “Allée des baobabs” ao amin’ny kokontany Bekonazy, kaominina Bemanonga Distrika Morondava. Misy koa ny fananganana fotodrafitrasa mahakasika ny mpizahatany toy ny fampianarana asa sikotra, fametrahana vovo, toerana fialana hetaheta, toerana fivarotana asa tanana, izay manampy ny fidiram-bolan’ny fikambanana Fitarihantsoa II ao Bekonazy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.