Actualités

Bekily Misy mompera manambady ?


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Misy mompera manambady any amin’ny distrikan’i Bekily tampon-tanàna, faritra Androy ary efa malaza any an-toerana fa efa teraka ny vadiny.

 


 Omaly alahady dia nikasa hanao fanambarana tao am-piangonana ny lehilahy fa hanangana sampana vaovao antsoina hoe : Eglizy katolika Malagasy (EKM) izay tarihiny, mifanohitra amin’ny Egizy Katolika Romanina (EKAR) misy ankehitriny. Taitra ny mpino kristianina katolika tany an-toerana ka nisakana azy tsy hiditra am-piangonana omaly ary niangavy azy hametra-pialana farany haingana. Miantso ny tompon’andraikitra ny mpino katolika any an-toerana hijery akaiky ny raharaha. Ankoatra izay, maina ny tany ka mila orana ny mponina ary mila vonjy ny ao amin’ny hopitalim-panjakana fa tsy misy ny fitaovana iasana toy ny oksizena famelomana ka saika maty ny ankamaroan’ny marary miditra ao. Marihina anefa fa ny olom-boafidy any dia saika olon’ny fitondrana ankehitriny.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT