Actualités

BEHORIRIKA


  • Sabotsy 09 Aprily 2016

Mitaky ny hanokafana ny toeram-pivarotana Golden Center ireo mpivarotra ao


. Nisy hetsika firaisankina nataon’izy ireo teny an-toerana omaly. Misy ny nindram-bola tamin’ny banky nampandehanana ny tsena, fianakaviana maro koa no mivelona amin’ny asa fivarotana ao. May tamin’ny volana desambra 2015 ny Golden Center. Nakatona vonjimaika taorian’ny fitsirihana nataon’ny Kaominina tao an-toerana ka hita ny tsy fahatomombanana.

SAMBAVA
Mirongatra ny harom-paosy ary efa anaty tambajotra ireo jiolahy, miparitaka isaky ny tsena. Omaly maraina dia raim-pianakaviana iray avy any Andapa handeha hividy entana tao Sambava no nataon'ireo mpangarom-paosy nadiodio ny vola fito hetsy Ariary tany aminy. Saika ny olona avy any ambanivohitra miakatra ao Sambava tampon-tanàna no tena lasibatra, ary mahagaga fa tsy misy sahy mandray andraikitra momba izany.

JIRAMA
Hisy fanitsiana ny vidin-jiro araka ny nambaran’ny minisitry ny angovo Horace Gatien. Tamin’ny 2009 no nisy fikitihana farany, fampidinana 10% raha tamin’izay araka ny fanazavany no tokony ho efa natao ny fampakarana.

ANTANINARENINA
Taorian’ny filazana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa nekena ny fametraham-pialan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, dia misy andiana mpiasa mitaky ny tsy hamerenana ao anaty governemanta ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny vola, Rakotomanana Gervais.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT