Fahasahiana tsy misy toy ity ! Tobim-paritry ny zandary mihitsy no notafihin’ny dahalo tao an-tampon-tanànan’i Befotaka Atsimo ny harivan’ny zoma teo. Distrika manasaraka ny faritra Atsimo Atsinanana amin’ny faritra Anôsy i Befotaka Atsimo.
Tranombarotra roa tao an-tampon-tanàna no nanaovan’ny andian-dahalo zato mahery barofo norobaina io andron’ny zoma io tokony ho tamin’ny valo ora alina. Nizara andiany roa ireo dahalo, ka ny ampahany nandroba toeram-pivarotana, ny sasany nanafika ny Borigadin’ny zandary. Nisy ny fifandonana, maty ny roa tamin’ireo dahalo. Voan’ny be no ho vitsy ireo zandary, ka tsy afa-nanoatra nanoloana ireo dahalo nanao be fiavy. Nisintaka nanavo-tena ireo zandary roa tao an-dakazerina. Efa nesorina nialoha ny fotoana ny fianakavian’izy ireo. Ny zandary roa hafa mbola any ampamitana iraka tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana. Lasan’ireo dahalo ny basy poleta efatra sy ny basy lava MAS36 ary ny bala tao an-dakazerina. Ny sabotsy ihany dia efa nidina any an-toerana ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsimo Atsinanana, niaraka amin’ny andiana zandary avy ao Farafangana, Vangaindrano sy Fianarantsoa hanenjika ireo dahalo, ampian’ny tafika manao «Opération Fahalemana». Nahetsika ihany koa ny helikoptera. Voalaza fa nihazo an’i Ranotsara, Faritra Ihorombe ireo dahalo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.