Tao anatin'ny valo taona no tsy mba nankalaza izany 8 martsa Andron’ny vehivavy izany ny tao Beforona – Moramanga, noho ny antony maro samy hafa.
Niavaka izany tamin’ity, ary naompan’izy ireo tanteraka tamin’ny tontolo iainana sy fahadiovana. Zanakazo tsy mbola fahita ao anatin'ny Kaominina Beforona antsoina hoe "Likindambe" miisa 150 fototra no nambolen'ireo vehivavy tao an-toerana, izay notarihan'ny Ben'ny tanàna Rasolonirina Alphonse. Nohararaotin’ity farany ny fotoana nanaovany fanentanana mahakasika ny fahadiovana hialana amin’ny fangerena an-kalamanjàna na dia efa misy aza ireo lavapiringa namboarina. Hentitra izy fa hampihatra ny lalàna amin'izay mihoa-pefy satria mahafaty ny aretina azo avy amin'ny fiparitahan'ny loto, hoy izy.
Naharitra telo andro ny fankalazana ny 8 martsa tamin’ity. Nahatsapa fisokafana ireo vehivavy ao amin'ity Kaominina Beforona ity amin’ny fahazoana maneho hevitra sy ny talenta avy any amin’izy ireo avy ankalalahana ary nilaza fa vonona ny handray andraikitra amin'ny fampandrosoana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.