Actualités

Befelatanana – Ambohijanahary Voasoroky ny CUA ara-potoana ny loza


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Resaka adim-pamantaranandro dia mety loza amin’atambo no niseho teny Befelatanana sy Ambohijanahary.

 

Trano iray niorina amoron-tevana, manoloana ny vavahadin’ny hopitaly Befelatanana no nandraisan’ny Kaominina fepetra narodana mba tsy hampidi-doza. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny ekipan’ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalana. Tsy lavitra teo, fa teny Ambohijanahary dia rarivato avo dia avo no nivava vokatry ny orana, ka efa ambivitra ny hirodana. Nandray fepetra ny fiadidiana ny tanàna namindrana haingana nefa vonjimaika ny olona mipetraka teo ampitan'ilay rarivato ka nanapahana ny lalana miakatra mankany Fort Voyron. Fotoana fohy taorian’ny kenonkenona dia nirodana tokoa ilay rarivato, tsy nisy ny aina nafoy na naratra.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT