Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Befanihy, Kaominina Bekoratsaka Distrikan’i Mampikony ny talata teo. Lahiantitra 74 taona no hita maty notetitetehina teo anoloan’ny tranony.
Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nandre feon’olona toa manakotaba omby izy ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata. Nihevitra ingahibe fa misy mangalatra ny ombiny, ka nivoaka hijery. Toa tetika nataon’ireo olon-dratsy hivoahany ny trano fotsiny anefa io, ka vantany vao nivoaka ilay lahiantitra dia efa nisy nitsena azy tamin’ny daroka sy vono tsy nananana antra satria dia voatetitetika toa biby no nahitan’ny fokonolona ny vatana mangatsiakany. Tsy nisy zavatra very tao aminy, tsy lasa ihany koa ny omby. Mandray an-tanana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny zandary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.