Actualités

Befandriana Atsimo-Toliara Nifandona indray ny dahalo sy mpitandro filaminana


  • Zoma 23 Janoary 2015

Raikitra indray ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo tany amin’ny kaominina Befandriana, Faritra Atsimo Andrefana ka tao amin’ny tanànan’Antsinjy no nitrangan’izany. Omby 14 teny am-piraofana no nahoron’ireo dahalo niisa 10 lahy nirongo fitaovam-piadiana.

 

 Vao lasa ireo dahalo dia naka toerana nahafahana nifandray an-telefaonina sy nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo mpiarakandro. Niainga avy hatrany ny fanarahan-dian'ny mpitandro ny filaminana notarihin'ny kaomandin'ny borigady any an-toerana, ny GPHC Rakotozafy Anjarasoa Jimmy, sy ny sefo Nirina Willy Aimé, niampy ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra ireo dahalo ireo fa vao niala kilaometatra vitsy monja ny tanàna ka tafiditra tanaty ala kely iray dia efa tratran'ireo mpanara-dia. Raikitra ny fifandonana ary naharitra ihany izany satria nanana ny fitaovam-piadiany koa ireo dahalo saingy tsy mitsitsy ny mpitandro ny filaminana ka vokany dia lavon'ny balan'izy ireo ny dahalo iray efa rain hoy izy dahiny any amin'iny faritra iny. Tratra niaraka tamin'izany koa ny bala sy ny basy iray kalaky vita gasy fampiasan'io dahalo lavo io. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby 14 ireo satria rifatra nitsoaka ireo dahalo hafa. Tato ho ato, raha ny fanampim-baovao hatrany, dia nilamindamina ny halatr'omby tany an-toerana, miasa andro aman'alina mantsy ireo zandary ami'nny fisafoana sy ny fijerena ireny toerana ahiana ho kizo ireny. Manao antso amin'ny fiaraha-miasa amin'ny vahoaka koa izy ireo satria ahitam-bokatra hatrany io fifanampian'ny roa tonta io. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT