Actualités

Bealanana any Sofia Hanao fety tsy aman-kena ny olona


  • Talata 23 Desambra 2014

Raha mitohy izao tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny Lehiben’ny Faritra Sofia sy ny DGAT any an-toerana izao dia ho ritra ny hena any amin’ny “Boucherie” ka hanao fety tsy aman-kena ny any Bealanana, hoy ny depiote

Volahaingo Marie Thérèse lany tany amin’iny distrika iny. Tsy mety manafatra FIB (fiche Individuel de Bovin) avy aty amin’ny tranompirinty nasionaly io lehiben’ny Faritr’i Sofia io ka tsy misy mahazo alalana mandeha ny omby avy any amin’iny Faritra iny izay mamatsy hena ny tsena alakamisy in-droa isam-bolana ao Bealanana ary koa mamatsy mpivaro-kena hatraty Antananarivo. Efa miha ritra ny tahirin-kena eo amin’ireo mpivarotra any an-toerana ka tsy nisy intsony izany nanomboka tamin’ny tsenan’alakamisy teo. Mba manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra ny tena amin’ny maha solontenam-bahoaka ny tena aty an-tany lavitra aty, hoy izy, fa tena ho fety hafakely ity Krismasy sy faran’ny taona ary taom-baovao ity any Bealanana raha izao no mitohy. Ny raiamandreny ve no miady ka ny ankizy no voaporiporitra ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT