Actualités

Be resaka fotsiny


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Hirahirainareo ny tany tan-dalàna, ataonareo litania ny fanjakana tsara tantana. Hay ve ka teny imolotra fotsiny ny anareo ireny ry Jean a.


 ianareo tokoa no tonga amin’ilay hoe tsy miady tsy miady, fa ny kibay an-kelika ihany. Fa inona moa ry Jean no mampihenahena anareo tsy mampihatra didim-pitsarana hamerenana amin’ny asany azy efa-dahy mpiasa ao amin’ny Air Madagascar ireo a ? Efa ny Fitsarana izao anie ry Jean no mandidy anareo hamerina azy ireo hiasa, ka hisitrahany indray ny zo sy tombontsoa mifandraika amin’izany. Marina tsy ho afa-baraka amin’izao ianareo an ! Lany andro manampi-maso sy manampin-tsofina fotsiny, nefa ery ambavahadin’i Madagasikara ery anie no mitranga ny olana e, izany hoe hitan’izao vahiny rehetra miditra sy mivoaka an’i Madagasikara. Arakaraka ny mampangatak’andro anareo tsy hampihatra ny didim-pitsarana io ry Jean no hahafa-baraka sy hampalaza ratsy anareo any ivelany any ka holazain’ny olona fa be resaka fotsiny ianareo a.

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT