Ity nitranga omaly tokony tamin’ny 9ora sy sasany maraina ity no trangana fakana an-keriny, voalohany nokasain’ireo jiolahy natao tamina zanaka karana tamin’ity taona vaovao ity, taorian’ilay tranga ny volana desambra ny taona lasa nikasan’ireo jiolahy naka an-keriny ny zanaky ny orinasa mpanamboatra
savony ao Androranga. Hain’ireo jiolahy tsara ny fotoana fahatongavan’i Kessaria Housseni, zanaka lahin’Atoa Kessaria tompon’ny tranombarotra “Kessaria” bazary be ity. Tamin’ny 9ora dia efa niandry ny fiara tsy mataho-dalana fitondrany tsy lavitra ny tranombarotra ireo jiolahy 4 nitondra moto scooter 2 niaraka tamin’ny basy kalaky iray sy basy PA iray ary “Taser” iray. Vao tonga Atoa Kessaria Housseni dia avy hatrany noteren’ireto jiolahy niverina tao anatin’ny fiara nentiny. Nanda izany ity zanaka karana ity ka avy hatrany dia nitifitra ireto jiolahy nampihorohoroana azy ka nahavoa azy teo amin’ny feny sy ranjony. Nahare izany ireo polisy mandeha an-tongotra manara-maso eran’ny tanàna nandalo tao Bazary be, dia tonga nijery ny zava-nisy. Vao nahita ireto polisy anefa izy efa-dahy jiolahy dia avy hatrany nitifitra ireto polisy dia nanao tari-dositra niaraka tamin’ny moto scooter. Tonga nanadihady ny zava-nisy ny zandary sy ny polisy ka ho hita eo ny tohiny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.