Actualités

BAZAR DE NOEL 2015 Hanana ny anjarany manokana ny vita malagasy


  • Zoma 18 Desambra 2015

Ny vanim-potoana ankatoky ny Noely sy ny faran’ny taona tahaka izao no fotoana fanolorana fanomezana ho an’ny olona akaiky ny tena

 

. Kolontsaina iainan'ny maro amin'ny tonon-taona tahaka izao ihany koa  ny firariantsoa sy ny fifanakalozana fanomezana,  hatramin’izay. Nohatevenin'ny vahiny izany taty aoriana ka tsy vitsy no mividy fitafy vaovao entina miatrika ny fety sy ampifaliana ny ankizy. Tsy latsa-danja amin'ireny ny vita Malagasy. Mba hahafahana manome fahafaham-po ny rehetra ary dia hotanterahina ny 21 desambra ho avy izao etsy amin’ny 67 Ha atsimo ny bazar de noel entina hampirantiana ireo karazana kojakoja sy entana vita Malagasy. Manomboka eo amin'ny Atelier TIKA (akaikin'ny JIRAMA) no hanatanterahana izany  mipaka manoloana ny CENAM. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ireo tranoheva maro isan-karazany arahin’ny fanentanana makotrokotroka. Hisy ihany koa moa ny fivarotana tselatra ireo asa tanana Malagasy  tena mampalaza antsika. Tsy misy ny vidim-pidirana. Haharitra folo andro ny hetsika. Tsiahivina moa fa ho hita mandritra ity hetsika ity ireo karazana kojakoja vita amin’ny lamba landy. Ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny asa tanana no mikarakara izany.

Pati



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT