Saron’ny polisin’Antsirabe teo amin’ny sakana teo andrefan’ny Star ny jiolahy iray nitondra basy lava vita gasy sy bala iray niaraka taminy ny talata 30 desambra lasa teo raha nizotra tamin’ny fiara avy any Mandoto hihazo an’Antsirabe.
Nisy ny fepetra noraisina ka nanaovana savahao ny fiara rehetra nohon’ny fetin’ny faran’ny taona iny ka nahitana izao vokatra izao. Raha ny fanadihadiana dia nambaran’ny kaomisera Ramiaramanana Alain fa avy any amin’ny Kaominina Ambatomifanongoa, Distrikan’Ambatofinandrahana no niavian’ity basy ity ary nokasain’ilay rangahy tokony ho 40 taona nitondra azy hamidy tany amin’iny faritry Miandrivazo sy Mandoto iny ilay basy saingy tsy lafo tany an-toerana ka nokasaina ho entina hiverina any an-toerana indray no izao tratran’ny mpitandro filaminana izao. Nambaran’ireto farany fa tena basy fampiasan’ny dahalo rehefa manao fanafihana ity basy vita gasy ity saingy nokasaina hamidy izao indray nohon’ny antony tsy fantatra aloha. Voalaza moa fa efa misy mihitsy ny toerana famokarana ity fitaovam-piadiana ity any amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana any, ary maro ny efa novokarin’ireo olona manao izany mba entina manafika sy mangalatra omby ka efa an-dalana amin’ny fanadihadiana izany toerana izany ny polisim-pirenena amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.