Actualités

Bas Mangoky homena ny Arabo Hitory any amin’ny Tribonaly Iraisam-pirenena ny mpanohitra…


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

“Tsy mitovy ny firesaky ny olom-panjakana. Iza marina ilay Elite Agro LLC fa arabo foana no mody resahana ?”,

 

 

hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Tany tsy mamokatra fa ngazana ny any Abou Dabi any Émirats arabes unis izany. Tany tsy misy tanimbary. Ataovy mangarahara. Sao dia ianareo ihany no ao ambadika ? Ataovy mangarahara ny zavatra soniavinareo. Lazaina fa tsy mbola fifanarahana raikitra io fa mbola andrana fa ity firenena ity tsy fanaovana andrankandrana. Omeo ny vahoaka Malagasy mpamboly ny vola. Ny Malagasy aloha homena tany, vola, fitaovana,… Ampahalalao anay solombavambahoaka sy ny loholona io fifanarahana na “memorandum” izay nosoniavinareo io miaraka amin’ny antsipirihany rehetra fa tsy iny fanambarana iny no resahinareo. Misy ny fomba rehetra hahafahana manao famokarana fa aza totofana ny 1000 Ha etsy Ambohitrimanjaka izay vakoka hanomezanareo 60.000 Ha ny vahiny. Ny Bas Mangoky dia minisitra tamin’ny andronay no nikarakara azy, hoy hatrany izy. Misy maro ny mpandraharaha eto, ka sokafy ny antso tolo-baro-panjakana “appel d’offre” dia hazavao ny nifidianana an’io orinasa io, hoy hatrany ity depiote ity. Lemaka efa nisy tetikasa 23,5 tapitrisa dolara avy amin'ny BAD (2009) ny any Bas Mangoky, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Fifaninanana mamboly no efa natao tamin’izany, ary tsy namidy fa vola nindramina. Raha hamarotra an'io tsy maintsy mandalo Antenimieram-pirenena, ka famadihan-tanindrazana ny fanomezana izany ho an’ny arabo. Nilaza moa i Marc Ravalomanana fa azo atao tsara ny mampiakatra ny raharaha eo amin’ny Tribonaly iraisam-pirenena (TPI). Anisan’ny nanonganana azy tamin’ny 2009 ny raharaha Daewoo. “Tsy mbola niresaka tamin’io Daewoo mihitsy raha izaho Marc Ravalomanana filoha tamin’izany ary tsy nisy fifanarahana,…Taty aoriana aho vao nahalala hoe nisy fihaonana teo aminy sy ny minisiteran’ny fambolena na ny fanajariana ny tany”, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT