Actualités

Bararata.com Tranokalam-pifandraisana malagasy voalohany


  • Alarobia 19 Jona 2019

Nahita masoandro ny 15 jona lasa teo ny tambajotran-tserasera Malagasy voalohany, nantsoina hoe “Bararata” mitovy lenta amin’ny Facebook: azo handefasana sary, horonantsary, “statut”…

 

 

Tanora Malagasy ihany no namokatra azy io. Natao ho an’ny Malagasy, mba hiseraseran’ny Malagasy rehetra ny Bararata, satria teny Malagasy ranoray no ampiasaina rehefa mikirakira azy. Isan’ny mampiavaka ity tranokalam-pifandraisana vaovao ity moa izy hahazoana “point” isaky ny misy hetsika hatao, toy ny “mitia sarin’ny namana” ohatra. Mbola tsy misy “application” azo ampiasaina amin’ny finday ity tambajotra ity hatreto, saingy efa an-dalam-pamoronana izany, raha ny vaovao farany voaray. Misy fanomezana azon’ireo manana “point” betsaka indrindra avy eo. Ho an’ireo liana na te-hitsidika ny Bararata dia miditra amin’ity tranon-kala ity : https://www.bararata.com/.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT