Mbola maro ihany ireo toeram-pisotroan-toaka tsy manara-dalŕna eto amintsika na dia efa misy hatrany aza ny fisafoana tampoka ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Ho an’ny Boriborintany faharoa manokana dia olona miisa 58 no voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Tao anatin’ny tapa-bolana nanaovana ny operation no nahazoana ireo vokatra ireo. Mbola nitohy teny Ambohipo sy ny manodidina indray izany ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa toeram-pisotroan-toaka miisa dimy raha kely no tratra mbola nivoha nihoatra ny tamin’ny 9 ora alina ary nisy olona avokoa tao anatiny. Raha araka ny lalàna anefa dia amin’ny 6 ora hariva mandrapahatongan’ny amin’ny 9 ora alina ihany izy ireny no tokony hivoha, ho an’ireo manana fahazoan-dalana mazava. Mbola fampitandremana fotsiny ihany no nataon’ny mpitandro ny filaminana narahin’ny fitiliana ireo zaza tsy ampy taona mandeha manenjika bara amin’ny andro alina. Mbola hitohy ny hetsika hahafahana mampandry fahalemana ny tanànan’Antananarivo sy hanafoanana ireo mpivarotena tamana mihinana amin’ny fisokafan’ireny bara ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.