Actualités

BAR tara fikatonana Nifanalabaraka ilay depiote sy ny polisy


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Taraiky andro alina tamina toeram-pisakafoanana sy fisotrosotroana iray ao Nosy Kely-Morondava ny Solombavambahoakan’i Belo Tsiribihina

, Rakotozanakolona Paul na Paul Karana sy kolonely efa misotro ronono iray, ny talata 27 septambra teo. Niangavy azy ireo mba hamonjy fodiana amin’izay ny polisy manao fisafoana amin’ny alina, mba tsy ho ohatra ratsy amin’ny mpiara-monina, efa dila rahateo ny amin’ny 10 ora alina ora tokony hikatonan’ireny resto-bar ireny amin’ny andavanandro, ho fitandroana ny fandriampahalemana izay fepetra noraisina taorian’ny asan-jiolahy nisesy tao Morondava tampon-tanàna. Tsy nahafaly an’ilay parlemantera io ka niteraka fifamaliana sy fifanalam-baraka. Niantso ny lehibeny ireo polisy. Tonga tokoa ity farany, saingy naleony nitondra ny olony niala moramora ilay toerana, mba tsy nitaran’ny tabataba ka mety nivadihan’izany ho zavatra hafa.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT