Tsy maintsy mikatona amin’ny 9 ora alina avokoa manomboka izao ireo bara fisotroan-toaka sy karaoke rehetra misy eto an-drenivohitra.
Raha ny nambaran’ny prefen’ny polisy eto Antananarivo Renivohitra Atoa Ravelonarivo Angelo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia anisan’ny mitarika ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ny fisokafan’izy ireny mandrapaharainan’ny andro ka tsy maintsy handraisana fepetra. Hisy ny fidinana ifotony hataon’ny mpitandro ny filaminana manomboka izao ka izay mbola tratra mandika lalàna dia hosintonina aminy avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalana. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ireo sefom-pokontany 192 ny fijerena ny lisitr’ireny bara sy karaoke ireny ka hotetezina avokoa, eny fa na dia ireo somary misitrika any anelakela-trano aza. Ao koa ny fijerena ny bokim-bahiny. Tsy maintsy misoratra anarana eny anivon’ny fokontany avokoa manomboka izao ireo mivahiny amin’ny fianakaviany eto an-drenivohitra satria dia hisy ihany koa ny fisavana izany. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fitadiavana ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery anelakela-trano. Tokony hisy hahalala mantsy izy ireny na dia ny mpiara-monina aminy ihany aza. Mbola hitohy amin’ny faran’ny herinandro ny fivoriana hotanterahin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny prefe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.