Actualités

Baomba tavoahangy nirefotra teny Itaosy Mbola karohina ilay tompon’antoka


  • Talata 04 Jona 2019

Raha ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana, mbola eo an-dalam-pikarohana ilay nahavanon-doza niteraka fampihorohoroana tamin’ny andron’ny fifidianana ireo manampahefana eny ifotony sy ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana sivily sy miaramila.

 

 

Tsahivina fa tovolahy iray tafaporitsaka tamin’ny nitrangan’ny loza no ahiahiana. Tamin’ny 6 ora hariva latsaka, taorian’ny fiafaran’ny fandatsaham-bato ka niditra tamin’ny fanisana ny voka-pifidianana, teo amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray eny Itaosy izay nahitana birao fandatsaham-bato dimy, tavoahangy plastika iray no nirefotra. Araka ny vaovao nampitain’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana, asidra sy taratasy aliminiôma na “papier alu” no tao anatin’ilay varingarina 33 santilitatra  (33 cl). Nipoaka faran’izay mafy teo an-tokotanin’ilay efitrano fianarana ny tavoahangy. Zandary 4 avy hatrany no nandray an-tanana ny filaminana. Tovolahy iray noheverina ho natahotra ny fipoahana no vaky nandositra ary taty aoriana vao novinavinaina fa izy no tompon’ny ketrika sy fanatanterahana ny fanipazana ity tavoahangy miaty tsiranoka mampidi-doza ity. Tsy nisy ny naratra na maty. Ny zandarin’ny borigadin’Itaosy sy ny polisin’ny kaomisaria no mifanome tanana amin’ny fanadihadiana.

 

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT