Noraisin’ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny tanŕna omaly ny delegasiona avy amin’ny
Banky Iraisam-pirenena notarihin’Atoa Michel Matera sy Glenn Pearce-Oroz, misahana ny tetikasa. Nisy ny fampahafantaran’ny Ben’ny tanàna ny fandaharan’asan’ny Kaominina, ka taorian’ny fihaonana dia niara-nidina tamin’ny teknisianina avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo ireto iraka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ireto. Hijery ifotony sy hamantatra ny fanatanterahan’ny Kaominina ny fandaharan’asany ireto iraka avy amin’ny Banky Iraisampirenena ireto ny zoma izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.