Actualités

Banky Iraisam-pirenena Namatsy vola 392 tapitrisa dolara an’i Madagasikara


  • Talata 30 Aprily 2019

20 tapitrisa ianareo no miaina anaty fahantrana ankehitriny nefa tokony hanana hoavy mamiratra raha misy ny finiavana hiroso,

 

 

 hoy ny filoha vaovaon’ny Banky Iraisam-pirenena David Malpass nanamafy ny fahavononany hanohana an'i Madagasikara eo amin'ny lafiny fampandrosoana. Famatsiam-bola mitentina 392 tapitrisa dolara hatreto no omen’izy ireo ary hiompana amin’ny sehatra sosialy, ny famatsiana herinaratra ary ny fananan-tany izay hizarana kara-tany miisa 2 500 000 amina kaominina miisa 500. Nanambara ihany koa ity filoha vaovao faha-13 an'ny Banky Iraisam-pirenena ity tamin’izao fivahinianana ofisialy voalohany eto Madagasikara izao fa hoentina manoloana ny filankevi-pitantanana anio ny hamoahana ny vola 100 tapitrisa dolara ho an'ny firenena Malagasy. Ankoatra izay, hitodika amin’ny fanatsarana ny maha olona amin'ny alalan'ny fanabeazana sy ny fampivoarana ny sehatry ny fahasalamana ary ny famatsiana rano fisotro madio sy ny fizakan-tena ara-tsakafo ihany koa izao famatsiana ara-bola izao. Eo ihany koa ireo fotodrafitrasa, indrindra ireo lalana sy ny famatsiana angovo. Anisan'izany  ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka izay sompitr'i Madagasikara, ny lalam-pirenena faha-12 mampifandray  an'i Vangaindrano sy Taolagnaro. Eo amin’ny sehatra angovo dia tanjona ny hanatrarana  famokarana 800MW izay hampitombo avo roa heny ny famatsiana herinaratra amin'ny angovo maitso anatin'ny dimy taona. Tsy azo adinoina ihany koa, hoy izy ny fanatsarana ny tontolon'ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT