Actualités

Banky iraisam-pirenena Hanampy amin’ny fanatsarana ny fitantanana jiro eto amintsika


  • Zoma 12 Desambra 2014

Efa tsy misy olana intsony fa azo antoka ny hivoahan’ny famatsiam-bola avy amin’ny BAD sy ny Banky Iraisam-pirenena, hoy ireo solontenany miasa eto amintsika, Atoa Abdelkrim Bendjebbour (Bad) sy Rtoa Haleh Bridi (Banque Mondiale), omaly

teo anivon’ny fivoriana nitambaramben’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza. Raha resaka fikarakarana ny tohadrano any Bas Mangoky sy Manombo amin’ny ankapobeny no tena hifotoran’ny Bad izay efa teto amintsika hatramin’ny taona 1977 ary efa namatsy vola 744,45 tapitrisa UC tamin’ny fifanarahana niisa 97 eo amin’ny fanenana ny fahantrana sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina aty afrika ary fampanantenana ny fampandrosoana maharitra araka ny tarigetrany dia ny hanenana hatrany amin’ny 3% ny tahan’ny olona tsy mahazo afa-tsy 1,25 dolara amerikanina alohan’ny taona 2030 no tanjon’ny Banky Iraisam-pirenena.  Fantatra fa hatolotra ny filankevi-pitantanan’ny BM amin’ny 18 desambra izao hankatoaviny ny “aide budgetaire” mitentina 45 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ary koa ny PIC II mitentina 50 tapitrisa dolara. Amin’ny aprily 2015 kosa no hatolotra hankatoavin-dry zareo ny fanampiana amin’ny hanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny angovo eto amintsika izay mitentina 60 ka hatramin’ny 65 dolâra sy famatsiana hafa manaraka koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT