Tena ilaina ny fampitomboana ireo vola vahiny ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, hoy ny governora Rasolofondraibe Alain Hervé
Tahirim-bola vahiny izay mbola maharitra roa volana ary azo leferina hatreto raha ny takian’ny lalàna, araka ny fanazavany. Azo atao tsara anefa ny manampy io tahiry io amin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana na koa ireo fidiram-bola vahiny hafa ao anatin’ny fotoana fohy, raha ny filazan’ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny BFM ity. Ilaina kosa ny fampifandanjana ny tolotra sy ny tinady manoloana ny fitotonganan’ny ariary mihoatra amin’ireo vola vahiny izay nihen-danja hatrany amin’ny ampahefatry ny euro nanomboka tamin’ny taona 2012 raha very 15% io sandam-bola malagasy io hatramin’ny fiatombohan’ity taona 2014 ity. Vahaolana tsara indrindra ny fandraisan’ny fanjakana fepetra mampiakatra ny fanondram-bokatra toy ny vanilina, lodisy, jirofo na koa kafe tsy ho latsaky ny 30% mankany ivelany. Eo ihany koa ny fifehezana ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara izay mahatratra 7% raha 2% na 3% izany ho an’ireo firenen-kafa. Adidin’ny mpitondra fanjakana rahateo ny mandresy lahatra ireo mpampiasa vola vahiny ho avy eto Madagasikara, araka ny hevitry ny governora vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.