Actualités

Banky Foiben’i Madagasikara Rasolofondraibe Alain Hervé no Gorvernora faha-8


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

Voatendry ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Rasolofondraibe Alain Hervé. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao omaly teny Iavoloha ny didim-panjakana fanendrena azy

. Rtoa Razafimbelo Vonimanitra no nisahana vonjimaika io andraikitra io noho ny fahabangan-toerana tampoka, taorian’ny nahafatesan’i Guy Ratovondrahona tamin’ny taon-dasa. Tompon’ny orinasa SILAC Ambatondrazaka Rasolofondraibe Alain Hervé ary Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny banky BOA talohan’izao fanendrena azy ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara izao. Izy no Governora fahavalo amin’ny laharana, taorian’i Léon Maxime Rajaobelina (1973-1983), Richard Randriamaholy (1984-1988), Blandin Razafimanjato (1988-1993), Raoul Joëlson Ravelomanana (1993-1994), Gaston Edouard Ravelojaona (1996-2007), Frédéric Rasamoely (2007-2012) ary i Guy Ratovondrahona (2012-2013). Efa-taona azo havaozina in-dray mandeha ny fe-potoam-piasany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT