Actualités

Banky foiben’i Madagasikara Misy volabe avoaka an-tsokosoko ?


  • Zoma 19 Mey 2017

Misy tranga mampiahiahy ao amin’ny banky foiben’i Madagasikara Antaninarenina amin’izao fotoana. Raha ny loharanom-baovao iray dia re fa misy vola be avoaka mangingina avy ao.

 

 Mitentina 19 miliara Ariary isan-kariva izy io. Tsy ny mpitatitra vola mahazatra no mitondra azy fa fiara hafa mihitsy. Mpamosavy mandeha amin’ny alina aza, hono, misy mahita mainka fa vola matevim-be tahaka izany mivoaka an-tanàn-dehibe. Tsy fantatra kosa na efa firy andro no nisian’io famoahana vola hafahafa io. Ny somary manaitra dia hoe alefa any Sambava (faritra SAVA) amin’ny alalana fiaramanidina manokana mihitsy io vola be mivoaka avy etsy Antaninarenina io. Efa misy ny fiara manokana mpitatitra ny volan’ny Banky foiben’i Madagasikara ary efa fantatry ny maro eto Antananarivo satria fiara lehibe hita hoe mifono vy ary arahana minibus 3 na 4 misy polisy sy zandary misaron-tava ary mirongo fitaovam-piadiana. Tazana matetika izy io avy any Ivato, mandeha ny route Digue, mandalo ny Fasan’ny Karana, Ankadimbahoaka, Soanierana, Anosy, Antsahamanitra ary tonga eo amin’ny Banky Foibe Antaninarenina avy eo. Fa mampanontany tena kosa hoe inona ity resaka 19 miliara ariary avoaka isan-kariva entina fiara hafa ity ? Baiko ofisialy ve ny namoahana azy ? Raha eny, atao inona ary nahoana ny hoe alefa any Sambava ? Betsaka moa ny zavatra hafahafa tahaka izao mitranga eto amintsika ka mahatonga ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola mitaky ny hoe mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Tena malaina manome vola be ireo mpiara-miasa toy ny vondrona eoropeanina satria mety efa mahafantatra zavatra maro izy ireo. Ankoatra izay, tao anatin’ny dia ataon’ny filoham-pirenena tany Sambava omaly no nivoaka io vaovao io. Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ve sa inona marina ? Toerana malaza amin’ny famokarana lavanila moa ny faritra SAVA, indrindra fa i Sambava sy Antalaha ka asa na mety misy ifandraisany amin’izay ny andefasana vola be any an-toerana. Ho hita eo ny mety ho tohin’ity resaka famoaham-bola hafahafa ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ity.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT