Andraikitra voalohany raisin’ny banky foiben’i Madagasikara ny fikarakarana sy ny famoahana ny volan’ireo banky izay miara-miasa aminy ary ireo banky mpampindram-bola hafa sy ny fanamboarana ireo vola ampiasaina eto Madagasikara.
. Mitovy avokoa ny fomba fiasan’ireo banky foibe manerana ny nosy ny amin’ ny fanaraha-maso ireo vola azo ampiasaina sy ny tsy azo intsony sy ny fitahirizana ireo volan’ny mpanjifa ary manakalo azy ireny mba hiasa indray. Ankoatra izay dia anjaran’ny banky foibe eto an-drenivohitra ny fanamboarana ny vola malagasy any ivelany. Ny banky foibe rahateo dia manana lamina manokana amin’ny fanaparitahana ireo vola manerana ny nosy izay amin’ny alalan’ireo banky hafa. Tsikaritra tao anatin’ny volana maro fa efa miparitaka manerana ny nosy ireo vola nanaovan’ny banky foiben’i Madagasikara andrana toy ny 2 000 ariary sy ny 500 ariary izay tetikasa vaovaon’ny banky mba hisorohana ny mety hisian’ny vola sandoka. Raha ny fahitana ireo vola avy ety ivelany dia misy fiarovana amin’ny rano sy menaka io vola natao andrana io ka mety ajanona amin’io ihany izy ireo. Nanentana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny banky mba tokony hanajana ireo vola ireny mba tsy ho simba satria an-tapitrisany ariary maro izay vao mahavita vola isika eto Madagasikara ary lafo ihany ny vidina taratasy sy ny kojakoja fiarovana ao anatiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.