Tsy voaray hatramin’izao ny ambim-bolan’ireo mpametra-pola madinika tao amin’ny Banque industrielle et commerciale de Madagascar (BICM) taorian’ny nikatonan’ity farany ny volana mey 2014. Manodidina ny 18 miliara ariary (90 miliara iraimbilanja) ny totalin’ny vola, ary
nifanarahan’ny CGA (Centre de Gestion Agréé) nanankinana ny famerenana ny vola amin’ireo tompom-bola fa hatao in-telo mandoa, 33% avy isaky ny mandoa, ny fanonerana ny volan’izy ireo tavela tao amin’ny banky talohan’ny nikatonany. Ny volana jolay 2014 no tokony ho nefaina ny ampahany fahatelo sady farany, io 18 miliara io. Teo no nikatso ary tsy mivaha hatramin’izao, ka mampitaraina ireo mpanana petra-bola madinika tao amin’ny BICM. Ren’izy ireo siosio anefa fa efa vonona tao amina banky iray lehibe eto an-drenivohitra io vola io ka mampametra-panontaniana azy ireo hoe : nahoana no tsy nefaina araka ny tetiandro efa voafaritra mialoha ny volan’izy ireo sa nanjavona tao ny vola ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.