Actualités

Bala 4070 very Aiza ny fanadihadiana ?


  • Talata 26 Aprily 2016

Miteraka resa-be tokoa ity firongatry ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ity.

 Miverina indray mantsy izao ny fanafihana mitam-piadiana sy  ny fakana an-keriny ary saika basy mahery vaika avokoa no eny am-pelatanan’ireo olon-dratsy.

Izay indrindra no hametrahana fanontaniana ny amin’ny tohin’ny fanadihadiana mikasika ny fahaverezan’ireo bala miisa 4070 (3000 bala 7,62 mm, 500 bala 9mm vita frantsay ary 570 bala 9mm vita rosiana) tao amin’ny BANI Ivato ny 14 janoary 2014, folo andro mialoha ny fianianan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Mahalasa eritreritra tokoa mantsy ity halatra bala ity. Ny antony voalohany, matoa misy halatra bala dia misy basy ampiasana azy izany any ambadika any. Faharoa, nahoana no folo andro mialoha ny fianianan’ny filoham-pirenena no nahaverezan’izany bala an’arivony izany. Liana te ahafantatra ny tohin’ny raharaha ny olom-pirenena, sao sanatria misy ifandraisany amin’ireo fanafihana mitam-piadiana  etsy sy eroa iny fahaverezana bala maro tao amin’ny BANI ny 14 janoary 2014 iny.

Tsy ny lafiny fandriampahalemana ihany anefa no mampiahiahy raha toa ka tsy mbola tafaverina any amin’ny lakazerna any ireo bala fa ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Mitady izay hevitra sy paikady rehetra izao hanakorontanana ny firenena mantsy ny ekipan’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009. Araka ny efa hita tamin’ny gazety mpiseho isan’andro ireny fa toa hoe mamorivory miaramila ny minisitra tamin’ny tetezamita teo aloha, anisan’ny akaiky an’i Andry Rajoelina.

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT