Anio misandratr’andro no hanao ny “déliberation” ny valin’ny bakalorea 2014 ny eo anivon’ny ofisy manokana misahana izany eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Anio hariva izany no hivoaka ny valin’ny fanadinana nandrasan’ireo mpianatra famaranana niatrika fanadinam-panjakana farany teo.
. Raha ny fanazavana azo dia ny olan’ny delestazy no tena nahatara ny fandikana ireo naotin’ny mpianatra tao anaty solosaina, izay tena niha mafy tao anatin’ny roa herinandro tao Toamasina indrindra mandritra ny tontolon’ny andro. Teo koa anefa ny tsy fanombohan’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana raha tsy efa tonga avokoa ireo taratasy ireo avy any amin’ny toeram-panadinana tao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro, faritra Alananjirofo ary ny faritra Atsinanana, nisy ny fanadinana bakalorea. An-kilan’izay, raha ny angom-baovao tamin’ireo mpitsara ny fanadinana tafaresaka taminay, tsy dia tsara loatra ny naotin’ireo mpianatra tamin’ity taona ity amin’ny ankapobeny. Misy fiavahany be ny tena mahay sy ireo tena tsy maharaka, vao mainka nanimba izany koa ireo taona voalohany niezaka nanala ny fanadinana bakalorea farany teo. Na izany aza, miankina amin’ny adihevitra hifanaovana anio maraina ny salanisam-pahafahana, hoy hatrany ireto mpampianatra mpitsara tafaresaka taminay ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.