Nihena ny taham-pahafahana bakalorea ankapobeny sy ara-teknika ho an’ny faritra Boeny tamin’ity taona ity raha noharina tamin’ny taon-dasa. Nidina ho 32,11% izany raha 43% tamin’ny taona 2013 iny
Raha ny fantatra dia noho ny korontana niseho teo anivon’ny oniversite Mahajanga no antony ka niteraka tsy fifantohana. Miisa 15 819 ireo mpanala fanadinana avy any amin’ny faritra Boeny ka ny 5 077 tamin’izy ireo ihany no afaka sy voasoratra ao anatin’ny lisitra. Tsiahivina fa i Maevatanana no nahitana mpifaninana lohalaharana tamin’ny naoty tamin’ity fanadinana ity. Ny sekoly tsy miankina Saint Gabriel indray no nahitana mpianatra nahazo mari-pahazana tsara. Niara-nivoaka ny fanadinana bakalorea ankapobeny sy teknika. Nahatratra 60% ny taham-pahafahana tamin’ity ho an’ity farany. Nisy fiantraikany tamin’ny fanadinana ny raharaha ny oniversite raha bangoina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.