Nivoaka omaly hariva ny voka-panadinana bakalôrea ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa, raha mbola anatin’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ny any Antsiranana,
vokatry ny fahataran’ny fandraisana ny taratasim-panadinana avy any amin’ireo foibem-panadinana tany SAVA. Tamin’ireo mpiadina miisa 24 270 voasoratra anarana tany Fianarantsoa dia afaka ny 12 848 manome taham-pahafahana 52,94%. Mitsinjara hoe 12430 amin’ny 23131 no afaka ho an’ny sokajy ankapobeny (53,74%), tafita soa aman-tsara ihany koa ny 418 tamin’ireo 1139 voasoratra anarana tamin’ny sokajy teknika sy teknôlôjika (36,70%). Vita hatreo izany ny fitaintainana ho an’ireo kandida tany Fianarantsoa. Afaka miala sasatra milamina ireo tafita miandry ny fotoam-pidirana eny amin’ny anjerimanontolo. Ampaherezina ireo izay voatery hamerin-taona indray.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.