Mandeha ny feo amin’izao fotoana izao fa nisy tamin’ireo mpiadina niatrika ny fanadinana Bakalôrea farany teo no afaka nefa tsy tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo afaka nipetaka teny anivon’ireo sekoly maro samihafa ny anarany.
Nijery ny naoty azony mihitsy ireo mpianatra ireo, raha araka ny fantatra. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny talen’ny ofisin’ny bakalôrea eny Ankatso Rakotoarison Olivier dia nambarany fa tsy marina izany fa tsaho niniana naely fotsiny. Ireo afaka ihany no tafiditra tao anatin’ny lisitra navoaka. Nanambara moa izy fa raha misy izany dia ankasitrahany ny hihaona mivantana amin’ireo mpianatra voakasika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.