Actualités

Baka nilentika any amin’ny RN 12A Tapa-bolany aty aoriana tsy mbola nahitam-bahaolana


  • Talata 05 Janoary 2016

Fijaliana no mahazo ireo mpampiasa ny lalana mampitohy ny lalana RN 12A, mampitohy an'i Tolagnaro-Vangaindrano.

 

 Nalentiky ny rano ny baka fiampitana. Samy efa mahafantatra ity tranga ity ireo tompon’andraikitra. Ny ao amin'ny ARM , ny ao amin'ny prefektiora, ny lehiben'ny faritra. Ity farany izay nanao be fiavy nijery tany an-toerana,  ary namory avy hatrany ireo voakasiky ny asa: ny ARM/ ny orin'asa mpanamboatra ny lalana ary ny tao amin'ny fiadidian'ny faritra.Nisy ny hevitra tapaka mba hamerenana indray amin'ny laonina ny fifamoivoizana. Hatramin'izao  fotoana izao anefa tsy mbola misy ny hetsika, toa kabary nobetsaka fa tsy hita izay asa mivaingana. Ao Ebakika dia mahazo vahana ny fanararaotana ataon'ireo mpanao fitaterana, miakatra andro aman'alina ny saran-dana. Ny lakana iampitana lafo, in-droa no miova fiarakodia hany ka sady lany vola no tra-pahasahiranana ireo mpandeha. Manao antso avo amin'ireo tompon’andraikitra mba hijery sy hamaha ny ity olan’ny baka fiampitana ity ny mpampiasa lalana ao amin'ny Ebakika fa efa tena mijaly.

Rfa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT