Trano 30 tafo mahery, anatin’izany ny biraom-pokontany, no tandindomin-doza eny Avaratetezana Ampitatafika, fa misy mikasa handrodana ka hanjavona tanteraka.
Tanin’olon-tsotra izy ity no lasan’ny minisiteran’ny asa vaventy tamin’ny fotoana nanamboarana ny tetezana mandika ny reniranon’i Sisaony, amin’ny lalam-pirenena voalohany. Nohalavaina ny tetezana, ka nampiasaina hamiliana vonjimaika ny lalan’ny fiarakodia io ampahan-tany manaraka fefiloha io. Rehefa vita ny asa dia nisy andiana mponina nanorin-trano teo ambony fefiloha, efa folo taona mahery lasa izay. Nisy taratasy nifaneken’izy ireo tamin’ny asa vaventy fa miala amin’ny tany izy ireo raha misy ilan’ny fanjakana ny tany. «Ara-dalàna ny fiorenanay eto», hoy ny iray tamin’ireo manan-trano niorina tamin’io toerana eo Avaratetezana io, manaporofo izany ny «fitakiana hetran-trano tsy tapaka aminay». Misy olon-tsotra hafa milaza ho tompon’ny tany anefa. Tonga teny amin’ny fitsarana ny raharaha, niaka-nidina hatramin’ny taona 2003.
Fito amin’ireo manan-trano miorina amin’ity faritra ifanolanana ity, no niaka-nidina teny amin’ny fitsarana, izay nomarihin’izy ireo fa zary fangala-piery satria matetika no tsy nampahalalana akory ny fotoam-pitsarana ireo ampangaina ho mpibodo tany fa efa didy mivoaka vao re na efa peta-drindrina nanome fe-potoana 48 ora hialana amin’ny tany vao taitra, toy ny nitranga ny talata 30 martsa teo. Nitondra miaramila sy vaditany ary efa nandefa «bull» handrodanana trano ny olona milaza fa tompon’ny tany. Hetsika izay nampisavorovoro ny mponina teny an-toerana. Niteraka resabe ihany koa izy ity satria, andaniny mbola mandeha raharaham-pitsarana ilay fifanolanana, ary tsy mbola tapitra ny lalana azon’ny voapanga aleha eo anatrehan’ny fitsarana, nefa nihazakazahana ny fampiharana didim-pitsarana. Ankilany dia vaditany tsy manana fahefana hanatanteraka fampiharana didim-pitsarana eny Atsimondrano no nampisahanina izany. Nanamarika koa aza ny mponina eny an-toerana fa tsy nisy fanehoana mazava antontan-taratasy milaza fa manan-tompo ankoatra ny mponina eny an-toerana ny tany, manginy fotsiny ny nitondrana miaramila, tsy nisy «réquisition» mazava. Tsy tanteraka moa ny fandravana taorian’ny fifandaharan’ny samy vaditany. Tsy nanaiky lembenana ihany koa ny mponina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.