Nasiam-panitarana ny foibe famatsiana rano fisotro madio eny Avaradrano
. Eny Ambatofotsy no nanorenana fotodrafitrasa vaovao, nandaniana 1.618.603 Ariary, famatsiam-bola avy amin’ny governemanta britanika. Notokanana ny sabotsy teo ny fotodrafitrasa, ary nanome voninahitra izany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Hamaha olana amin’ny famatsian-drano an’Avaradrano ny fahavitan’ity foibe famatsiana rano eny Ambatofotsy ity, Avaradrano izay nijaly vokatry ny tsy faharahan’ny fitsinjarana avy eo Ampasampito sy Analamahitsy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.