Mitohy hatrany ny antsojay ataon’ny Sinoa amin’ireo Malagasy mpanofa trano etsy Behoririka.
Taorian’ilay raharaha fampiakarana hofan-trano izay niakatra hatreny amin’ny tribonaly dia nandrodana trano indray ny sinoa ny 5 febroary lasa teo, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fikambanan’ny mpivarotra Avance Center na FIMPIAC. Tranoheva tao amin’ny immeuble Rova no voakasik’izany, fomba hanalany mpivarotra hahafahany mampiakatra ny hofan-trano. Sady mamono ny tsena anefa ny vovoka be ateraky ny asa fandrodanana, hoy ireo mpivarotra no miteraka loto sy aretina ho an’ny hafa ihany koa, asa tsy nisy tohiny hatreto fa filam-baniny fotsiny. Malagasy avokoa ny 99 %-n’ny mpanofa trano ao amin’ny Avance center izay efa misy tranoheva hatrany amin’ny 400 isa amin’izao fotoana. Ankoatra izao karazana fahasahiranana mianjady amin’izy ireo izao dia anisan’ny mampitaraina fatratra azy ireo ihany koa ny tsy fisian’ny fiaramanidina mihazo mivantana an’i Sina intsony fa tsy maintsy miampita in-droa na in-telo vao tonga any amin’ny toerana tokony haleha. Manginy fotsiny ny vola alain’ny fanjakana amin’ny fanafaran’entana. Na izany aza tsy maintsy mihafy izahay, hoy hatrany izy ireo noho ny fiovaovan’ny kalitaon’ny zaitra malagasy izay tsy azo hianteherana loatra sy tsy hahatara antsika amin’ny fandrosoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.