Actualités

Atsimondrano Ho ratsy ny voka-bary amin’ity


  • Alarobia 05 Novambra 2014

Mitaraina ny tantsaha eny Atsimondrano fa tena tara ny fambolena eny Fiombonana, Ankadimanga, Bemasoandro eny Ambohidrapeto noho ny tsy mbola fahatafidiran’ny rano manondraka ny tanimbary eny an-toerana.

Tanimbary 20.000 ha no mbola miandry izany rano izany ankehitriny. Nilaza ny solombavambahoaka Raharimanarivo Voahanginiaina voafidy teny Atsimondrano, fa efa nampahafantatra ny minisitra tompon’andraikitra voalohany amin’ny resaka fambolena momba io toe-javatra io ny tenany, mba hanadiovana sy hampandehanana ny lakandrano saingy noho ny fahataran’ny pitsopitsony ara-panjakana dia tsy mbola vita ny asa ataon’ny mpiantoka hatreto. Vokany, zary maina ho azy ireo ketsa efa nafafy ka ahiana ny vokatra ary ahiana koa aza ny hahadobo-drano indray ity toerana ity raha tena mirotsaka tsy an-kijanona eo ny orana. Ho ratsy ny voka-bary amin’ity fotoam-pambolena ity eny Atsimondrano. Mangataka ny hanorenana barazy lehibe iray manondraka ny tanimbary eny Ambohidrapeto rehetra eny ny tenany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT