Miharipaka tsikelikely ny alan’Andriamisera any amin’ny Faritra Boeny amin’izao fotoana.
Raha ny vaovao azo dia ny 40 %-n’ny ala no efa lany tanteraka vokatry ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny mponina. Misy maka an-tsokosoko ireo hazo sarobidy. Eo ihany koa ireo mitrandraka izany mba hanaovana saribao. Vokany, betsaka amin’ireo biby sy zava-manan’aina ao amin’ity valanjavaboary iray voaaro ity no efa lasa nifindra monina ankoatra ireo matimaty foana. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, araka izany, ireo Raiamandrenibe any an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy. Anisan’ny tena mampiavaka ny Faritra Boeny ny fisian’ity atiala iray ity sady mahasarika mpizahatany vahiny maro ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.