Ity angamba ry Jean no taratasy farany mety hifanaovantsika ka dia tsy hay ny tsy hanararaotra hanao veloma sy handefa hafatra «pour la route».
I Jean moa tiatia mihira izay ka dia an-kira koa no hilazako azy hoe na mamy aza ny seza, tsy maintsy miala rehefa tonga ny tompony, na volamena aza ny lakile, tsy maintsy averina rehefa tapitra ny androny e ! Koa mahaiza mionona ry Jean. Aza kivy fa mbola betsaka ny asa aman’andraikitra ilana ny traikefanareo. Ho entina aiza koa moa ny telopolo taona mahery nitavananareo ny volam-bahoaka izay ? Fotoana izao ry Jean mba hanomezanareo valimbabena azy, sady toa tsy ahitam-bahaolana ihany ity resaka tsy fandriampahalemana ity ka mety aminareo alefa miady amin’ny dahalo, fa ataovy veloma ny seza politika e.
Marco
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.