Eo anatrehan’ny fisian’ny olona manaratsy ny ben’ny tanànan’Antananarivo amin’ny resaka, izay atao fitaovana politika hanaratsiana an’i Marc Ravalomanana kandida filoha, dia nanamafy ny eo anivon’ny CUA tamin’ny alalan’ny Lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna,
kolonely Emilien Ramboasalama omaly, fa ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra dia anjaran’ny Minisiteran’ny izay miahy ny SAMVA. Ny kaominina no kosa no manadio tanàna ary mahavita ny adidiny. Ny SAMVA no tokony hanala ny fako amin’ireny dabam-pako lehibe iraisana ireny, saingy tsy arany, ka dia manampy azy ireo amin’ny fanomezana kamiao hitatitra ny fako ny kaominina na tsy anjarany aza izany. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan’ny tanàna, ka tokony hitandro izany ny rehetra eny an-dalambe, satria rehefa tsy mandoto dia efa manadio, ary tokony harahina koa ny ora fanariana fako eny amin’ny dabam-pako lehibe iraisana ireny dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina, hoy izy. Ankoatra io, dia hatramin’izao tsy mbola nisy ihany koa ny vola nirotsaka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ho fikojana ny lalana avy amin’ny fitondrana foibe, na FER (Fond d’Entretien Routier), na zon’ny CUA aza ny tokony hahazoana izany ho fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo renivohitra, hoy hatrany izy. Na tsy nahazo io FER io aza ny CUA, hoy izy, dia misy ny fiaraha-miasany amin’ny Colas amin’ny fanomezan’ity orinasa mpanao lalana ity fitaovana sy akora isan-karazany fanaovan-dalana, ka ny sampan-draharahan’ny asa vaventy ao amin’ny CUA ihany avy eo no manamboatra sy mikojakoja ny lalana eto Antananarivo. Momba ny FER, misy ny fanamboaran-dalana ataon’ny fitondrana foibe fa izay mahamety azy ireo ihany no ataony amin’izany. Manimba ny lalana ihany koa ny fanasana fiarakodia eny amin’ny arabe, ho fisorohana izany, hisy ny fepetra horaisina. Hampahafantarina mialoha anefa ireny mpanasa fiarakodia an-dalambe ireny mialoha ny hampiharana ny sazy amin’izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.