Actualitテゥs

ォ Assurance retraite compl駑entaire サ Mifanolana ny mpiasan地y Air Madagascar sy Ny Havana


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Sasatry ny misedra olana ny mpiasan地y kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Malagasy Air Madagascar. Taorian地y tsy nahazoan段zy ireo karama �13 mois� miendrika 菟rime�

 

fandray rehefa faran’ny taona, tamin’iny 2015 iny dia re indray izao fa manana olana amin’ny resaka fiantohana ny fisotroan-dronono  na “Assurance retraite complémentaire” ao amin’ny trano fiantohana Ny Havana koa izao izy ireo. Ny tsy fandrotsahan’ny orinasa Air Madagascar ny latsakemboka hatramin’ny taona 2011 no voalaza fa fototry ny olana, ka nanapahan’ny trano fiantohana Ny Havana ny fikajiana ny zana-bola hatramin’ny 4% tokony ho azon’ny mpisitraka io “retraite complémentaire” io, ho fitsinjovana ny fisotroan-dronono. Vola an-jatony tapitrisa ny an’ny mpiasa no mety hafoy ao anatin’izany. Nivory manokana momba io toe-draharaha io ny teo anivon’ny Air Madagascar ny alatsinainy teo. Raha ny feo re, dia tsy hipetra-potsiny ny mpiasa fa haka mpisolovava hanampy hiady ny tombontsoan’izy ireo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian窶冢y
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan窶冓reo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT