Mitaky ny hijeren’ny fanjakana ireo very asa sy tsy manana asa
Tsy malahelo ny 7%, fiakaran’ny karama tamin’ny kabarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha tamin’ny 9 janoary teo izahay fikambanana maro samihafa mivondrona eto amin’ny Magro Behoririka, fa tokony hojerena manokana kosa ireo very asa, ao anatiny ireo mpiasan’ny haino aman-jery nakatona, sy ny mitady asa mba tsy hisy ny fitongilanana. Mampahery ny traboina fa voajanahary ny rivodoza, hoy izy ireo. Mitohy ny fampihavanana na dia hijoro aza ny governemanta vaovao, ny filoha na ny PM tsy manana depiote ka tsy maintsy mifarimbona amin’ny hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.