Actualités

ASSOCIATION MADAGASCAR SAVE Manohitra ny fanavakavahana ireo voan’ny SIDA


  • Talata 13 Desambra 2016

Betsaka ny olana sedrain’ireo olona mitondra ny otrikaretina VIH SIDA ankehitriny eny anivon’ny fiarahamonina eny.

 Lohalaharana amin’izany ny fanavakavahana, ny tahotra hifandray amin’izy ireny, ny esoeson-teny… Vao mainka hitera-doza anefa ny fanaovana azy ireny tsinontsinona, antony nanosika ny fikambanana Madagascar SAVE hijoro hanampy azy ireny. Nampahafantarina  tamim-pomba ofisialy omaly tetsy Ampahibe ny fisian’ny fikambanana izay nialoha ny fanofanana ireo mpitondra fivavahana sy tompon’andraikitra maro samihafa miisa  50 avy hatrany. Haharitra roa andro ny fiofanana ka anisan’ny tena zaraina sy hampitaina amin’ireo mpizaika mandritra izany ny fanoherana ilay  KHFFFAR, toetra iray ao anatintsika nambaran-dRandria Vololona, mpandrindra ny tetikasa fa tena fositra miteraka ny fifindran’ny aretina SIDA eny anivon’ny fiarahamonina, ary  miafara  amin’ny fahafatesana hatrany. Tafiditra ao anatin’izany ny henatra amin’ny fifandraisana ilay marary,  ny fampitondrana kitra azy, ny fandavana azy, ny fanavakavahana mihatra aminy, ny fidonanampoana izay midika ho tsy fandraisana andraikitra ary ny asa ratsy toy ny esoeso … mihatra amin’ilay marary. Nosafidiana manokana ny mpitondra fivavahana mba hahafahan’izy ireo  manentana ny mpiara-mivavaka ka hananan’ny tsirairay fitiavana hahafahany mitia ireo olona mararin’ny SIDA fa tsy hanilikilika azy ireny sanatria.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT