Hanofana ireo mpanao gazety Malagasy eo amin’ny sehatry ny lalana, ny fanaovana fanatanjahantena ary ny ady amin’ny kolikoly iarahana amin’ny Bianco ny “Association des jeunes journalistes de Madagascar” na ny AJJM,
tarihin’ny filohany Randrianasolo Théodore Ernest. Fantatra izany omaly nandritra ny fampahafantaran’izy ireo ilay hetsika hotanterahiny manomboka ny 14 jona ho avy izao, etsy amin’ny parvis hotel Analakely. Hikarakara tsenaben’ny fetin’ny ray miavaka mantsy izy ireo, haharitra telo andro. Ankoatra ny fitadiavam-bola hataon’ny fikambanana entina hanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika dia anisan’ny tanjony ny hanome fahafaham-po ny isan-tokantrano amin’ny fitadiavana ireo fanomezana azo hatolotra an’i Dada amin’ny alahady 16 jona ho avy izao. Miisa 200 moa raha tsiahivina ny tranoheva handray anjara amin’izany, ahitana kiraro, tennis, famantaranandro, akanjo mafana…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.