Taorian’ny fihaonan’ny fikambanana Asandratro ny Fireneko tamin’ny vahoakan’Antananarivo dia fantatra fa hanomboka hitety faritra indray izy ireo raha araka ny fanazavan’ny filohany, James Ratsima, omaly.
Ao Antsirabe no hisantarany izany rahampitso alarobia izay fihaonana avy hatrany amin’ny mpanao gazety hitohy any Betafo hiarahana amin’ireo solombavambahoaka voafidy any an-toerana. Tanjona amin’izao fitetezam-paritra izao moa ny hampahafantarana ny vahoaka ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena. Anisan’ireny ny fanomezan’ny fanjakana vahana ny tera-tany vahiny amin’ny lafiny rehetra izay miteraka ny korontana toy ny ao Soamahamanina, ny filazana ombieny ombieny amin’ny vahoaka fa mahaleotena isika nefa mbola tena miankin-doha tanteraka amin’ny any ivelany…Tsy latsa-danja amin’izany ny fitakiana ireonosy Malagasy bodoin’i Frantsa izay nambaran’i James Ratsima fa tsy ilana fakan-kevitra be intsony fa tsy maintsy ho azontsika. Tsiahivina moa fa ho an’ny fikambanana Asandratro ny Fireneko dia mbola mipetraka hatrany ny maha-botom-bazaha ny mpitondra ankehitriny, antony mampahantra fadiranovana ny vahoaka Malagasy tahaka izao izany, hoy ity fikambanana ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.