Actualités

Asan’ ny Psikology Efa misy sahy misandoka ihany koa


  • Zoma 22 Febroary 2019

Nitsangana tamin’ny volana novambra 2018 ny holafitry ny Psikology ary misy mpikambana miisa 17 amin’izao.

 

Ny antom-pisiany dia hiaro ireo mpikambana amin’ny asa iandreketany satria nilaza izy ireo fa efa misy olona sahy mampiasa ny anarana hoe psikology nefa sady tsy manana karatra no tsy nandalo ny fandalinana lalina nataon’izy ireo. Nampahafantatra ihany koa izy ireo fa afaka misehatra zavatra marobe ankehitriny ny psikology tahaka ny famahana ny olana ara-pahasalamana, orinasa, fianarana ary ny fanatanjahantena. Amin’io sehatra fahasalamana io dia tena mandray an-tanana ireny olona voan’ny rarintsaina (dépression) ireny izy ireo. Ohatra ihany koa ny fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena hahatsara ny fahaiza-manaony. Mateti-pitranga ihany koa ny fandaminan-tsaina ataon’ny psikology amin’ireo olona tratran’ny lozam-pifamoivozana na manana Havana sy namana nandalo izany. Raha ny eto Madagasikara dia nanazava izy ireo fa efa manomboka mila sy mitady psikology ny Malagasy ary tsy mifidy salan-taona izany ankehitriny.

Tsirinasolo

 

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT